Frashokereti

Ny Frashokereti na Frašōkərəti dia teny avestika (mifanitsy amin' ny teny persiana antenatenany hoe 𐭯𐭫𐭱(𐭠)𐭪𐭥𐭲 / fraš(a)gird <plškrt>) ilazana ny fotopampianarana zôrôastriana momba ny fanavaozana farany an' izao rehetra izao, rehefa ho rava ny faharatsiana rehetra, ary ho tafaray tanteraka amin’ Andriamanitra (Ahura Mazda) ny zava-drehetra.

Ny fotopampianarana fototra dia izao:

  1. ho resin' ny Tsara ny Ratsy amin' ny farany;
  2. tsara tanteraka ny zavaboary tamin' ny voalohany, saingy nosimbain' ny Ratsy tatỳ aoriana;
  3. haverina amin' ny laoniny ho amin' ny fahatanterahana nananany tamin' ny fotoan' ny famoronana izao tontolo izao;
  4. ny famonjena ny olona tsirairay dia niankina tamin' ny fitambaran' ny eritreriny sy ny teniny ary ny zavatra nataony, ary tsy hisy fitsabahana, na mangorahana na mivadika izany, na avy amin' ny andriamanitra inona na inona mba hanova izany". Araka izany, ny olombelona tsirairay dia samy manana ny andraikiny amin' izay hiafaran' ny fanahiny, ary amin' izay fotoana izay dia hiaraka ho tompon' andraikitra amin' ny fiafaran' izao tontolo izao.

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search